1 Timothy 4

1Ankehitriny miteny mazava tsara ny Fanahy fa amin’ny fotoana any aoriana any dia hiala amin’ny finoana ny olona sasany ary mitandrema tsara ny amin’ireo fanahy mpamitaka sy ireo fampianaran’ireo demonia 2amin’ny fihatsarambelatsihin’ny mpandainga. Fa voamarika amin’ny vy mamay ny feon’ny fieritreretan’izy ireo.

3Ho raràn’izy ireo ny manambady sy ny mandray ireo sakafo izay noforonin’Andriamanitra ho zaraina miaraka amin’ny fisaorana eo amin’ireo izay mino sy izay mahafantatra ny marina. 4Fa ny zavatra rehetra izay noforonin’Andriamanitra dia tsara. Tsisy holavina ny zavatra noraisintsika tamim-pisaorana. 5Fa nohamasinina tamin’ny tenin’Andriamanitra sy ny vavaka izany.

6Raha apetrakareo eo anoloan’ireo rahalahy ireo zavatra ireo, dia ho mpanompo tsaran’i Jesosy Kristy ianareo. Fa notaizana tamin’ireo tenin’ny finoana sy tamin’ny fampianarana tsara izay narahinareo ianareo. 7Fa lavo ny angano tantarain’ny vavy antitra. Fa kosa, tariho hanome voninahitra an’Andriamanitra ny tenanareo. 8Fa ny vatana hofanina dia kely ihany no azo ampiasana azy, nefa fampiasa amin’ny zavatra rehetra ny toetra araka an’Andriamanitra. Mihazona ny fampanantenana amin’ity fiainana ankehitriny ity sy ny fiainan-ko avy.

9Ity hafatra ity dia mendri-pitokisana sy mendrika ny fahafenoan’ny fanekena. 10Fa noho izany dia hitolona sy hiasa mafy isika. Fa mahatoky ao amin’Andriamanitra velona isika, izay Mpamonjy ny olona rehetra, indrindra ireo izay mino.

11Ambarao sy ampianaro ireo zavatra ireo. 12Aoka tsy hisy olona hanao tsinontsinona ny fahatanoranao. Fa kosa, aoka ho ohatra ho an’ireo izay mino, amin’ny fiteny, fitondran-tena, fitiavana, finoana, ary fahadiovana. 13Mandra-pihaviko, tohizo ny famakiana, ny fananarana, sy ny fampianarana.

14Aza atao tsinontsinona ny fanomezam-pahasoavana izay ao aminao, izay nomena anao tamin’ny alalan’ny faminaniana, niaraka tamin’ny fametrahan-tanan’ireo loholona. 15Tandrovy ireny zavatra ireny. Meteza ho ao amin’izy ireo, mba hiharihary amin’ny olona rehetra ny fandrosoanao. Tandremo tsara ny tenanao sy ny fampianarana. Tohizo ireny zavatra ireny. Fa raha manao toy izany, dia ho vonjenao ny tenanao sy ireo izay mihaino anao.

16

Copyright information for PltULB